Zazalahy kely iray vao fito taona monja indray no nisy nifaoka tamin’ny fiara mazda teny Andranonahoatra Itaosy ny alatsinainy hariva lasa teo.
Raha araka ny fitantaran’io zaza io dia nisy olona iray nanatona azy ary nanambitamby azy mba hiditra tao anatin’ilay fiara. Norebireben’izy ireo hoe entina hijery fety ity zazalahy kely ity nandritra izany ka namitsaka tsara tokoa. Rehefa hanainga anefa izy ireo dia nisy nahita tampoka io zazalahy kely io. Teo vao raikitra ny sakoroka ka tafaporitsaka ireo olona saika hitondra azy. Ireo Ray aman-dRenin’ilay zaza ihany koa teo an-daniny tsy nahavita na inona na inona noho ny hatairany. Ankoatra an’Itaosy moa dia fantatra ihany koa izao fa anisan’ny handraisana fitarainana mikasika ny zaza very hatrany ny any Ankadivoribe sy Soavina Atsimondrano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.