Trano fivarotam-boankazo niisa 20 tafo no indray kilan’ny afo tao Andranontsara, Kaominina Andranomanelatra Antsirabe II ny omaly talata 29 aprily teo.
Efa matetika ity toerana fivarotana ity no misy mandoro na may toy izao saingy tsy fantatra na ankasoparana na inona no antony. Raha ny fanazavana nomen'ny Ben'ny tanàna, Atoa Lantomandimby, dia toa afo avy any ambadika avaratry ny trano no nahamay ireto trano ireto ka fivarotana 4 no may ary nitatra teo amin’ireo hafa izany. Sarotra ny fifehezana ny afo noho ny rivotra kanefa na izany aza dia tsy dia tsy nisy ny aina nafoy, fa ny vokatra namidin’ireo mpivarotra sy ny fanaka no tsy nisy noraisina intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.