Ny fitadiavana tokoa tsy mahalavi-tany ka na dia an-tongotra ora roa aza dia mandeha ihany koa ireo jiolahy rehefa manafika.
Toy izany ity nitranga tao Antsirabe ity satria andian-jiolahy avy any amin’ny Fokontany Manazary, Kaominina ambanivohitra Andranomanelatra, Distrikan’Antsirabe II no nanao andiany nanafika tao Antsirabe. Raha ny zava-nitranga dia nisy fanafihan-jiolahy tao Tsivatrinikamo Antsirabe ny alin’ny zoma 23 mey 2014 tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any. Haingana ny fiantsoana ny polisim-pirenena ka tsy nisy 10 minitra akory dia tonga ny U.I.R ary nanapoaka basy ka namaly toara-bato ireo jiolahy saingy nitsoaka ihany avy eo. Efa tsara fiomanana ireo jiolahy ka efa nolavahany ny tamboho ary tafaporitsaka aloha izy ireo teo, saingy lasany tamin’izany ny solosaina enti-tanana niampy kavina teny an-tsofin’ny tovovavy iray tao an-trano ankoatry ny vola ka nitentina 1.200.000 Ariary.
Misy efa mpamerin-keloka amin’ireo andian-jiolahy manafika tao Antsirabe
Iny alina iny ihany tokony ho tamin’ny 2 maraina dia nivadika tany amin’ny Fokontany Manampisoa, Kaominina Ambano ireo jiolahy ka tokantrano iray no lasibatra. Tsy nanam-po ireo tompon-trano satria nandondona ireo jiolahy ka vao namoha trano dia nibosesika nisitra sy nanambana basy ny tao an-trano izy ireo. Tsy mifidy halaina ireo jiolahy amin’izany fa “lecteur” sy zava-maneno toy ny «baffles» sy bodofotsy ary lamba no alainy amin’izany. Taorian’izay dia tao amin’ny Fokontany Vatofotsy ihany koa nonotafihin’izy ireo iny alina iny ihany ka bisikileta roa indray no lasan’izy ireo rehefa tsy nahita vola tao an-trano izy ireo. Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy ny nisy ireo jiolahy ka raikitra ny fisamborana ka efatra no tratra voalohany ary taorian’izay dia tratra ihany koa ny namany efatra, izay nilaza fa mbola any ny lehiben’izy ireo. Ireto andian-jiolahy ireto moa dia antsy be sy baraminina ary vato no fampiasany ary manao andiany ho 10 eo ho eo izy ireo rehefa manafika. Ao Antsirabe ny lehibeny sy ny mpanome baiko azy ireo. Marihina fa misy olona tsara fivelomana tsara amin’izy ireto, izay nampihaiky ny polisy satria manana omby vavy be ronono mitery miisa 3, kisoa marobe am-bala ary fiompiana ganagana an-jatony maro, saingy voalaza fa efa mpamerin-keloka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.