Sekolim-pinoana tantanina teratany karana etsy Andavamamba no manao antsojay amin’ireo mpiasany. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpampianatra iray ao an-toerana dia rehefa manomboka misimisy ny vola tokony haloan’ireo karana amin’ny
mpiasany dia mila vaniny sy manao antsojay hatrany ireo mpampiasa ka mitady ny fomba rehetra handroahana ilay mpiasa na mivantana na an-kolaka. Nilaza ireto mpiasa fa tsy misy mihitsy ny fanajana ny zon’izy ireo amin’ny maha mpiasa. Rehefa misy fitakiana sy filazana momba izany dia valy boraingina hatrany no azo. Hatramin’ireo solontenam-panjakana tokony hitarainana mahakasika ity raharaha ity aza dia voavidin’ireto teratany vahiny misehatra amin’ny fanabeazana ireto vola, hoy hatrany ny fanazavana. Manoloana ny tranga miseho dia mikasa hanao fitokonana fanairana ireo mpampianatra ao amin’ity sekoly ity rahampitso satria efa tafahoatra loatra ny fanambakana sy ny tsy rariny ataon’ireo teratany karana.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.