Nahatratra 4km ny fitohanan’ny fiara
Nitohana izaitsizy ny fifamoivoizan’ny fiara tamin’ireo toerana nisy fampisehoana sy fitsangatsanganan’ny olona ny alatsinain’ny paska. Tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny, ohatra, dia nahatratra efa ho 4km ny fitohanan’ny fiara mizotra mianatsimo ny maraina teny Ampangabe mihazo ny Analamanga Park nisy hetsika nokarakarain’ny Scoop Digital. Nahitana fitohanan’ny fiara lavareny toy izany koa tany Mampikony amin’ny lalam-pirenena faha-6, hilazana fa nanararaotra nivoaka ny tanàna niala voly ny olona omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.