Actualités

Ampahimanga Arivonimamo Vaky ny fasana, razana dimy very taolambalo


  • Alakamisy 22 Mey 2014


 Nisehoana vaky fasana tao amin’ny Fokontany Mangidy, Kaominina Ampahimanga Arivonimamo ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Nidina avy hatrany nijery ny zava-misy ny tompom-pasana, ny Fokontany ary ny zandary taorian’ny fampandrenesana azy ireo omaly. Razana dimy tamin’ireo fito no lasan’ireo olon-dratsy. Efa nikorontana tsy niaraka tamin’ny vatany intsony kosa ireo taolan-dava sisa tavela. Narian’ireo mpangalatra taolampaty teny manodidina  ireo lamba namono ireo razana very. Niparitaka tamina toerana samihafa kosa ny vovoka. Mahagaga fa tsy misy tratra mihitsy ireo mpangalatra taolambalo. Raha misy aza dia ireo mpangalatra tsotra ihany no saron’ny mpitandro ny filaminana. Ny Minisitry ny filaminana anatiny teo aloha aza dia nanambara mihitsy fa tsy mbola nahita mangirana momba ireo mpanambola mpaniraka na mpandray azy ireny  ny mpitandro ny filaminana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT