Actualités

AMCT sy GMC Ady mangatsiaka lasa ady miharihary


  • Talata 24 Febroary 2015

Rehefa nivory maika ny “Comité restreint” izay misolotena ny fikambanana AMCT iray manontolo dia maneho etoana fa : tsy miombon-kevitra amin’ireo namana CT izay nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Hotely

 Colbert Antaninarenina tamin’ny alakamisy 19 febroary teo. Tsy ekenay ny hitondrana ny anaran’ny AMCT tsy hierana amin’ny daholobe, hoy ity “Comité restreint” ity. Ka ambara fa hevitry ny olom-bitsy iny fananganana ny GMC nataon-dry zareo iny satria sady tsy nampandrenesina izahay “Comité” no tsy nanatrika iny fivoriana iny koa. Azo ambara fa vaky ny ady mangatsiaka nifamahofaho tao amin’ity AMCT, hoy ny feo heno, izay niompana tamin’ny eritreritry ny sasany hanala hatry ny ela ny filoha mpiara-mitantana teo aloha, ny CT Dox Zafobigera.  Satria efa nasehonay teny Tsimbazaza ny tena firaisankina tsy nijerena firehan-kevitra noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka nahatafatsangana soa aman-tsara ny Repoblika faha-4 ka tsy nisalasalan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nanampy anay tamin’ny zavatra notakianay izay hisaoranay azy tanteraka izany. Koa hoy izahay AMCT hoe vonona ny hanome tanana na tolo-kevitra hanampiana ny fitondram-panjakana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena izahay.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT