Misy mitritra tokony ho 30 metatra eo ho eo ny havoana misy ireo tangorom-bato eny Ambolokandrina avaratr’ Ankatso hatramin’ny omaly. Mba ho fisorohana ny loza amin’ny mety hihotsahan’ny tany sy ireo vato lehibe hatrany amin’ny 8 taonina dia nandray fepetra ny
fitondram-panjakana ny hanala ireo olona mipetraka manodidina ireo havoana izay mahatrata 500 avy amin’ny tokantrano 80 mahery.
Manana hatramin’ny anio antoandro ireo izay monina eny hanalana ny entan’izy ireo. Haharitra 15 andro ity asa ataon’ny fanjakana miaraka amin’ny mpamonjy voina sy pompier ity ka ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny “Etat Major Mixte Operationnel “ eo anivon’ny faritra Analamanga na ny Emmoreg no hitandro ny filaminana eny an-toerana.
Ankoatra ny eny Ambolokandrina dia efa nahazo fampitandremana amin’ny mety hisian’ny fihotsahan’ny tany ihany koa ny eny ambanin’i Manjakamiadana izay efa nahitana fandravana trano vitsivitsy omaly.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.