Actualités

Ambohipo Trano sy moto ary fiara rotiky ny afo


  • Talata 11 Septambra 2018

Toy ireny filma apôkalipsa ireny no nitranga teny amin’ny Cité Ambohipo -Boriborintany faha-2 Antananarivo ny misasakalin’ny alahady 9 septambra. Trano hazo nirehitra no nahamay fiara sy moto teny an-toerana tamin’io fotoana io.

 

Afo niainga avy amin’ny trano hazo nitoeran’ny mpiambina tao amin’ny Parking ao Ambohipo no nahatonga ny loza. Fiara dimy no may hotohoton’ny afo tamin’izany, nisy telo hafa nolalovan’ny afo, moto niisa 102 may tanteraka, ary trano roa nirehitra. Tonga ara-potoana teny an-toerana ny mpamonjy voina, 20 minitra dia voafehy ny afo, araka ny fanazavan’ny kapiteny Randrianarisoa ao amin’ny mpamonjy voinan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Vokatry ny tandrevaka avokoa no saika mahatonga ny hain-trano eto Antananarivo Renivohitra raha ny nambaran’ny Commandant Ramanoara Francky, lehiben’ny mpamonjy voina ao amin’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Aoka ny tsirairay hihevitra ny maha zava-dehibe ny loza, toy ny firehetana, ka mila mandray andraikitra avy hatrany miantso ny sampana mpamonjy voina amin’ny laharana maitso 118, hoy izy.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT