Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ny solontenan’ny vahoakan’ny Boriborintany faharoa niaraka tamin’ireo sefom-pokontany 24 ao aminy sy niaraka tamin’ny mpikambana TIM eny an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy,
toy ny « assistant » parlemantera sy mpanolotsaina azy ny depiote Rastany na Randrianarisoa Stanislas mivady. Ny sabotsy teo no nifamotoana izy ireo teny amin’ny Salle d’œuvre an’ny Paroasy Katolika St Etienne Ambanidia. Ankoatra ny fiarahabana sy fampahafantarana nataon’ny filohan’ny Distim amin’ny Boriborintany faha-2 ity dia kabary fohy nefa nafonja no nentin’ny depiote Rastany nanentanana ny rehetra. Nambarany fa be ny zava-bita natao teo ambany fitarihany tao anatin’izay fotoana naha solombavambahoaka azy izay toy ny fanamboaran-dalana sy lakandrano, toeram-panasan-damba sy fatsakan-drano maro. Nisy koa ny kianja filalaovam-baolina ho an’ny tanora. Tao koa ny fanotronana ireo niharam-boina teny amin’ny boriborintany, toy ny fahafatesana noho ny fihotsahan’ny tany nisesy, ny fahamaizana trano fonenana. Nambarany koa fa efa manga ny dinika fifampiresahan’ny tompon’andraikitra rehetra ka hahazo Lycée tsy ho ela i Ambohipo raha sitrapon’Andriamanitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.