Bolongan-tany no nanohana ny tany tsy hanototra hatramin’ny farany ny lehilahy iray teny Ambohimanarina omaly.
Teo am-perinasa ity lehilahy ity no nihotsaka tampoka ny tany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Mbola afaka niantso vonjy izy ka nirohotra nijery ny zava-nitranga sy efa niezaka namonjy azy ny mponina teo amin’ny manodidina ilay toerana nisy asa fanorenana. Tsy nahovoka firy anefa izy ireo noho ny tsy fahampian’ny fitaovana. Nantsoina ny mpamojy voina ka tonga nalaky teny Ambohimanarina manakaiky ny biraon’ny boriborintany faha-6 nitrangan’ny loza.Natomboka ny asa famonjena ka tamin’ny 12 ora sy sasanny antoandro no avotra ilay lehilahy. Tsy nisy nahiana ny ainy na dia hita ho reraka sy tratry ny hatairana aza izy. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana avy eo mba hozaham-pahasalamana sy omena ny fikarakarana rehetra. Vao ny volana mey lasa teo moa no nisy firodanana rindrina sy fihotsahana tany teo amina toerana nisiana asa fanorenan-trano ihany koa teny Tsiazotafo ka nahafatesana olona miisa 4. Hita amin’izao tranga izao fa mbola tena tsy ampy ny fiarovana ny ain’ny mpiasa sy fitandremana amin’ity resaka asa fanorenan-trano sy ny asa mitovitovy aminy ity eto amintsika. Mety nohamaivanina ihany koa ny fanadihadiana mialoha ny amin’ny tena zava-misy marina eo amin’ilay toerana misy asa. Ankoatra izay, mbola maro be ireo mpanao trano no tsy tena nianatra akory io asa io fa teny am-pikitikitihana no nampiana-tena, hany ka mety tsy mahafantatra tsara ny kipitsopitsony amin’ny fitandremana tsy maintsy atao ka dia rehefa tra-doza vao mikorapaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.