Actualités

Ambohidrapeto Avotry ny polisy ilay zaza nariana teny amoron-dalana


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Zaza menavava iray no hitan'ny Polisy tao anaty harona napetrak’ireo tsy mataho-tody teny amoron-dalana teny Ambohidrapeto Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly hariva.

Raha araka ny fantatra dia vao teraka ity zaza ity. Mbola niaraka tamin’ireny lambafotsy kely voloina namonosana azy ireny mantsy ilay tsy manan-tsiny. Soa ihany anefa fa hitan’ny polisy izy io ka avy hatrany dia nentiny haingana teny amin'ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Tsy misy ahiana moa ny ainy raha mbola eo am-pelatanan'ny mpitsabo ilay zaza menavava. Misokatra kosa ny fanadihadiana mikasika izay mety ho Renin’ity zaza ity. Tsiahivina moa fa saika vokatry ny hasarotan’ny fiainana sy ny fahantrana no manosika ireo Renim-pianakaviana hanao fihetsika tahaka izao amin’ny ankapobeny. Misy koa ireo nilaozan’ny Rain-janany ka tsy manana fahafahana ny hamelona ilay tsy manan-tsiny irery.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT