Actualités

Ambodin’Isotry Mpitondra sarety nianjeran’ny entana, iray miady amin’ny fahafatesana


  • Sabotsy 19 Aprily 2014

Nitranga loza naharatrana olona indray omaly antoandro tokony ho tamin’ny iray ora tetsy Ambodin’Isotry.

Sarety iray nitondra entana tsy eran’ny ainy nitsimbadika ambony ambany vokatry ny fahatapahan’ny taho mitazona ny kodiarana havia. Roa ny naratra, ka voa mafy ny iray tamin’ireo mpanosika sarety izay mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao. Navesatra loatra ny entana nentin’ity sarety ity. Nikorisa ny voamaina tao anaty gony maromaro ka nanindry ny roa tamin’ireo mpanosika sarety. Matetika eto amintsika ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitondran’ireo fitaovam-pitaterana entana mavesatra loatra noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra no miteraka loza eto amintsika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT