Actualités

Ambodimita Namono olona indray ny taxi-be


  • Alarobia 26 Janoary 2011


Vao tamin’ny herinandro teo no nisy lozam-piarakodia nahafatesana olona roa teny amin’ny lalana Digue, omaly dia niverina indray izany. Fiara mpitatitra mampitohy an’Alakamsiy Ambohidratrimo no nivarina tany an-tanimbary. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no nitranga ity loza ity. Avy any Alakamisy ilay fiara ary nikasa ny hanala olona teo amin’ny “arrêt” Ambodimita.

Araka ny fantatra dia nanana olana ilay fiara satria tsy nety nivily intsony, ka tamin’izay fotoana izay no nanitsy nankany an-tanimbary. Am-polony ireo fantatra fa naratra mafy. Valo kosa anefa no fantatra fa tonga teny amin’ny Hjra. Ny iray tamin’ireo dia maty izay ramatoa be manodidina ny 70 taona. Ny iray kosa polisy nanao fanamiana. Tapaka ny tongotr’ity mpitandro ny filaminana ity. Ireo ambiny dia naratra madinika ary afaka nody ny ankamaroany.

 Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT