Actualitテゥs

Ambodiampaly Toamasina II Lasan地y Sinoa ny tany misy safira


  • Zoma 11 Febroary 2011

Nanao be midina, tamin段ty herinandro ity, nijery ny tena zava-nisy tao Mandraka Ambodiampaly Toamasina II, 40km miala ny renivohitr段 Toamasina I, ny ekipan地y ministeran地y harena ambanin地y tany sy ny lehiben地y faritra Atsinanana, mikasika ny fitrandrahana 都aphir� sy volamena misy ao amin段ty tan瀟a ity.

Fantatra mantsy izao fa ilay orinasa Sinoa antsoina hoe : «Mining Land Ltd» izay mitrandraka ny fasimainty ao Analanjirofo ihany koa, no tompon’ity tany ao Ambodiampaly ity. Io orinasa sinoa io no “nangataka ny FAT mba hijery akaiky ny raharaha, sy handroaka ireo olona marobe tonga mitrandraka ny harena ambanin’ny tany ao anatin’ny tokotaniny». Mitatao indray izany ny sakoroka ao Mandraka Ambodiampaly Toamasina II, satria ireo mpitrandraka dia efa nilaza mazava fa «ny rehetra dia manan-jo hanana ny anjara masoandrony sy anjara fihariany. Nahoana no efa nitrandraka iray volana sy tapany teto izahay vao misy tompony tampoka ny tany ? Nahoana tamin’ny mbola volamena no notrandrahana teto tsy hita izay tompon’ny tany, fa vao misy ‘saphir’ ilay izy dia mipoitra avokoa izao Sinoa mpangoron-karena rehetra izao ?».

Raha ny zava-misy ao amin’ity tanàna misy ny fitrandrahana “saphir” sy volamena ity aloha, dia tena misaritaka ny raharaha. Simba ny tontolo iainana, manjaka ny gaboraraka ary samy manao izay tiany ireo olona maro tonga any izay misy ireo mpitrandraka tao Sakaraha, Ilakaka, Antsiranana, Ambatondrazaka, Toliara… Mandoa vola 4.000 ariary amin’ny Fokontany ireto mpitrandraka ireto isaky ny faritra hidirany hiadiana ity “saphir” ity. Ary eo koa ireo teratany vahiny hafa, ka ny Sri Lankais sy ny Camerounais saingy ny Sinoa no betsaka. Izy ireo kosa no tompon’ny «sôsy» mividy ireo ‘saphir’ hitan’ny mpitrandraka. Io fisavoritahana io, indrindra ny tontolo iainana simba, no hevitra entin’ny «Mining Land Ltd» sy ny FAT manosika ny fandroahana ireo mpitrandraka madinika ireo, vao mainka ihany koa nahazo vahana ny FAT noho ny fisian’ilay Sri Lankais tratra mividy vato sarobidy nefa tsy manana taratasy ara-dalàna hanaovana izany.

Ireo mponina anefa milaza fa «na tsy ara-dalàna aza ity Sri Lankais ity dia sahy nividy vato 9.000.000 ariary hitan’ny mpitrandraka ary mbola niampy moto-pompe iray ihany koa fanomezana». Araka ny fantatra dia saika nandritra ity fidinana tampoka natao ity, no tokony ho efa vita ny fandroahana ireo mpitrandraka “saphir” sy volamena ireo, fa noho ny fitarazohan’ny fahatongavan’ireo Emmo-Reg roa kamiao dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka indray izany. 

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Actualitテゥs

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN窶儂Y
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT