Niavaka tanteraka ny fanamarihana ny 29 martsa tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Amboasary Gara RN 44.
19 taona katroka aty aoriana mantsy vao mba nisy tompon’andraiki-panjakana nanome voninahitra izany hetsika izany indray (taorian’ny fitokanana ny tsangambato natrehan’ny Pr Zafy Albert sy ny Pasitera Andriamanjato Richard tamin’ny taona 1994. Tsangambato naorin’ny fikambanan’ny mpiasan’ny lalamby tany an-toerana tamin’ny 1993 izy io. Nahatsiaro ho heni-kaja, heni-boninahitra ny mpitondra tany an-toerana notarihan’ny Ben’ny tanàna sy ireo mponina tsy an-kanavaka, indrindra ireo Bekotro maroholatra akanga sisa nanamborana tsy lavo tamin’ireny fotoana navaivay ireny. Tsy vitsy ny fangatahana nataon’ny tompon-tany navantany tamin’ny vahiny noho ny tsy fandalovan’ny tompon’andraikitra ambony ela be. Namaly izany nivantana moa ny CT Randriamamizafy Ignace voatendry avy ao Moramanga ary avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nampanantena izy fa hitondra an-tanana ny fangatahan’ireo Bekotro maroholatra tsy mbola nahazo ny tombontsoany ka maniry ny hangataka izany any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Ny Ben’ny tanàna Razafintsalama kosa no handrafitra ny antontan-taratasy maimaimpoana. Na dia tsy nisy aza ny mariboninahitra mahazatra fanambatambazana ny mpitolona taloha ireto dia tsy tonga tamin’ny tanam-polo kosa ny CT Ignace fa nitondra ny tsirambin’ny tanany nampian’ireo tompon’andraikitry ny fokontany 13 ao amin’ity kaominin’Amboasary nanolotra ny solom-bodiakoho ho an’ireo Bekotro maroholatra lahy sy vavy nanodidina ny 75 tsirairay avy (lelavola nomena nivantana). Tsy mendrika ny voninahitrareo nanao ny ainareo tsy ho zavatra tamin’ny fitiavan-tanindrazana ireto izahay, hoy ny CT Ignace ka miondrika am-panajana mahatsiaro an’ireo izay maty ary manome voninahitra anareo mbola eto ankehitriny. Tsy misy tanindrazana, hoy izy, raha tsy misy vahoaka. Ny olona no mahatanindrazana ny tanindrazana fa velona izay mipetraka ao ary maty izy milevina ao. Ny fitiavana ny Malagasy no fitiavan-tanindrazana amiko ka raha misy milaza fa tia tanindrazana dia jereo ny vahoaka ao aminy.
Ny fanatanterahana izany, hoy izy, dia atao amin’ny alalan’ny fanaovana adidy fa ny olona afaka dia misy adidy fa tsy tahaka an’ireo mihidy any am-pigadrana sanatria. Raha mpianatra ianao, ataovy tsara ny fianarana, raha mpiasa ataovy tsara ny asa ary raha mpitantana dia tantano tsara ny vahoaka. Ho anay mpanao politika, hoy izy, dia anananay ny fitiavan-tanindrazana fa ny fanatanterahanay azy no hafahafa, tsy mba tena hiainana andavanandro. Tsy nohadinoin’ity CT ity ny nanararaotra nanentana ny rehetra tao Amboasary samy hanara-maso ny lisi-pifidianana ao aminy ary nitondra fanazavana ny amin’ny raharaham-pirenena ankapobeny iainana ankehitriny, tsy fanatanterahan’ny voalazan’ny tondrozotra amin’ny andininy 16, 17, 18, 20. Fanirian’ny CT Randriamamizafy ny mba hahazo ny anaran’ireo namoy ny ainy tao Amboasary tamn’ny rahahara 47 mba horaiketina amin’ny takelaka “marbre” haraikitra amin’ny tsangambaton’ny 1947. Iriako raha mba hampitondrainareo ny anaran’ireo maherifo teto ireo ny anaran-dalana eto an-tanàna sy ny tranom-panjakana toy ny Lycée, hopitaly, hoy izy. Marihina fa anisan’ny nahitana mpitolona tamin’ny 47 maty be indrindra tao Amboasary Gara satria maro tamin’ireo nosamborina tany Ambato no naidina avy tao amin’ny Wagon tao ka notifirina ankitsirano ary natao tanaty lavaka akaikin’ny tsangambato natsangana.
Manohy (Iraka manokana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.