Actualités

Ambatondrazaka Vehivavy naolana avy eo noloarana ny masony


  • Alarobia 28 Mey 2014

Nampivarahontsana ny zavatra niseho tany Ambohitranjakana Ambatondrazaka ny takarivan’ny alahady 25 mey lasa teo.

Vehivavy iray no niharan’ny habibiana rehefa tavela irery fa nilaozan’ireo namany. Teny an-dalana hody indrindra izy no nisy tovolahy efatra nanakana. Tsy nihambahamba ireo fa avy hatrany dia namatotra ny vavany sy nibeda azy. Nentin’ireo teny afovoan-tanimbary izy avy eo ka nifandimby nanolana azy ny roa tamin’ireo efa-dahy nisambotra azy. Rehefa vita ny filana ara-nofo dia noloarana ny masony ary nitady antsy maranitra ny iray tamin’ireo tovolahy ireo hoe handrobahana ny kibon’ilay vehivavy hakana ny ao anatiny. Tsy nanaiky izany ny iray tamin’ireto tsy mifaditrovana fa hoe tovovavy tsara io ve dia hovonoina. Mitady hamadika ialahy izany, hoy ilay nitady antsy, zavatra efa fanaontsika ity, hoy izy ka mandehana ialahy mandeha raha tsy te hahita ny fatiny. Rehefa variana nifamaly teo izy ireo no nanararaotra nilefa niantso vonjy tao an-tanàna ilay vehivavy. Rehefa nanao ny fanarahan-dia ny Fokonolona dia tsy hita ny nanjavonan’ireo mpanao ratsy. Potika tanteraka ny maso ilan’ilay vehivavy ary teo amin’ny tendany ihany koa dia naratra vokatry ny fanolanana azy. Mihorohoro tanteraka, araka izany, ny mponina any Ambatondrazaka taorian’ity tranga ity satria tsaroana ilay mpianaka nisy naka ny voamasony sy ny taovam-pananahany tany Didy, taona vitsy lasa izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT