Actualités

Ambatondrazaka Rangahy lasa niasa, Ramatoa nisy namono


  • Alarobia 14 Mey 2014

Mampihoron-koditra sy mampivarahontsana ny zavatra niseho tao Ambatondrazaka ny folakandron’ny alatsinainy 12 mey teo. Vehivavy mpandraharaha iray no nisy nanafika tao an-tranony ary namoy ny ainy vokatry ny vono natao azy.

 Rangahy vadiny lasa namonjy ny asany any amin’ny Kaominina dia ramatoa no niambina ny trano. Tsy nisy nahalala izay zavatra niseho fa ny rahavaviny izay mpitsidika azy no nifandray an-telefaonina taminy an-tsasakadiny talohan’ny nahafantarana fa nisy nidaroka tao an-trano io mpandraharaha io.

Fanindroany izao no nisy nanafika ity mpandraharaha ity taorian’ny tamin’ny herintaona.

Efa fanaon’ilay rahavaviny ny miantso azy amin’ny finday rehefa ho any aminy. Dia tonga tokoa ny tenako, hoy ilay rahavaviny. Nahagaga ahy anefa ny tsy nisian’ny olona namoha ny vavahady kanefa efa ela no niantsoantso hoe : “aiza ny ato ?”, hoy ity rahavaviny nitantara. Voatery nanontany ny manodidina aho, hoy ity rahavaviny ka ny manodidina no nilaza tamiko fa raha mivoha ny varavarana ao ambadika dia ao izy. Raha nitsikilo teo amin’ilay varavarana ilay olona mpiray vodirindrina dia taitra nahita ilay ramatoa efa nitsirara tamin’ny tany sy nihosin-dra. Niditra tao an-trano haingana ireo olona nitsikilo ary namoha ny vavahady hidiran’ilay rahavaviny ary nitady fiara hitondrana ilay ramatoa tany amin’ny hopitaly. Rehefa tonga tany anefa dia tsy tana intsony ny ainy.

Nahitana diam-kapoka teo amin’ny fihirifany sy ny lohaliny. Mbola tavela teo akaikiny koa ny lamba iray izay heverina fa mety nanampenana ny vavany. Nikorontana ambany ambony avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Fanindroany izao no nisy nanafika ity mpandraharaha ity. Tamin’ny herintaona ny voalohany, fa tamin’izay dia sady alina ny fanafihana ary ilay Rangahy no naratra mafy. Marihina fa tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka kely no niseho io fanafihana io. Mihorohoro tanteraka ny mponina ao Madiotsifafana taorian’izao vono olona mahatsiravina amin’ny andro antoandro kanefa toerana manakaiky ny mpitandro ny filaminana. Efa manao ny fikarohana izay mety nahavanona ity vono olona ity ny zandary sy ny polisy ao Ambatondrazaka. Hatramin’ny ora nanoratanay dia tsy mbola voafaritra mazava ny antony namonoan’ny sasany ity mpandraharah vehivavy ity. Tombantombana fotsiny ny an’ny manodidina hoe tohin’ilay fanafihana tamin’ny taon-dasa fa anjaran’ny mpitandro ny filaminana no mikaroka izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT