Actualités

Ambatondrazaka Miandry ny filoha Ravalomanana hanavotra an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Nalai-nisaraka ny mpikambana Tiako I Madagasikara sy ny Ankolafy Ravalomanana omaly nahatsiaro ka niara-nankalaza ny tsingerin-taona faha-61 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana.

Tao amin’ny Akany Fitiavana Avaradrova no nifamotoanan’izy ireo tamin’izany ary dia ny masoandro maty no nampalahelo. Niainga tamin’ny tsipaipaika antsitra-po no nenti-nanana ny lanonana. Natokana ranofotsiny ho fifampizarana fifaliana ny fotoana ary koa nanehoan’izy ireo fa manohana mandrakariva ny filoha Ravalomanana izy ireo amin’ny fikarohana hevitra hamahana izao krizy tsy manam-pivahana eto Madagasikara izao. Manantena ny fiverenana an-tanindrazana tsy ho ela ny filoha Ravalomanana ireto mpikatroka any ambatondrazaka ireto, hanavotra ity Madagasikara ity. Resy lahatra izy ireo fa ny filoha Marc Ravalomanana, izay efa nanaporofo ny traikefany amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra, teo anoloan’ny vahoaka Malagasy sy izao tontolo izao, no afaka hanarina ity firenena efa latsaka an-davaka ity. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT