Maro ireo ankizy tsy afaka manohy ny fianarany intsony ao anatin’ny kaominina Ambatomirahavavy sy ny manodidina noho ny fahasahiranana mianjady amin’ireo ray aman-drenin’izy ireo.
Tsy maintsy hanofana trano eto an-drenivohitra mantsy sady handoavana saran-dalana ireo mpianatra avy any amin’ity kaominina iray ity raha alefa hanohy ny fianarany eto. Tsy vitsy amin’ireo ankizy vao afa-panadinana BEPC sy Bakalôrea vokatr’izany no mipetra-potsiny na zary manaotao foana mihitsy. Ho an’ny tovovavy, ohatra, dia betsaka amin’izy ireny no lasa manambady mialoha ny fotoana. Mba ho fanampiana ireto tanora mpianatra tsy afaka manohy ny fianarany intsony ireto ary dia natsangana any ao anatin’ity kaominina iray ity ny ivontoeram-piofanana CF PROG IG ( Centre de formation professionnelle en informatique et de gestion) tantanan-dRtoa Sahondra Razanamaholy. Ankizy 611 mianadahy hatreto no efa navoakan’izy ireo tao anatin’ny taona maro nijoroany, nofanina hanjary ho opetareur de sasisie, hahay hikirakira ny informatika, ny comptabilité generale… Afaka miatrika asa avy hatrany moa ireo mpianatra havoakan’izy ireo izay vao niampy 48 mianadahy indray ny faran’ny herinandro teo. Mmisedra olana anefa ny sekoly ankehitriny. Lohalaharana amin’izany ny fahatapahan-jiro matetika avy amin’ny JIRAMA izay efa nanimba fitaovana maro tao amin’ny sekoly. Im-polo isan’andro mantsy ny jiro ao Ambatomirahavavy no tapaka raha kely saingy tsy mbola nahitana vahaolana hatreto. Manoloana io tranga io dia mangataka panneau solaire avy amin’ireo malala-tanana ity ivontoeram-piofanana arak’asa iray ity entina hanohanana ireo ankizy sy tanora sahirana miaina eny ambanivohitra
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.