Actualités

Ambatolambo Mananjary Zazalahy 7 sy 11 taona nanolana zazavavikely 4 taona


  • Talata 03 Jona 2014

Mila ho isan’andro no andrenesana tranga fanolanana. Nirongatra mihitsy izy ity tao anatin’ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.

 Ary ny voamarika aza dia mihatanora dia tanora ny mpanolana. Tany Ambatolambo Mananjary izao dia zazalahikely mpirahalahy, 11 taona ny zokiny indrindra ary vao 7 taona ny zandriny, no nanolana zazavavively 4 taona. Voamarin’ny mpisabo fa simba ilay zazavavikely. Ankizy miara-milalao izy ireo kanefa tsy fantatra tampoka teo hoe inona ny nanjo azy mirahalahy fa dia niafara tamin’izao fihetsika tsy mendrika izao.

Tsy nanaiky ny fifandaminana ny Ray aman-drenin’ilay zazavavikely ka nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ao Mananjary, izay manao famotorana amin’izao fotoana. Nambaran’ny tompon’andraikitra voalohan’ny polisy ao Mananjary fa vokatry ny fiparitahan’ireo sarimihetsika mamoafady manerana ny tanàna no anisany anton’izao trangan-javatra izao, eo ihany koa ny “bal” eny amin’ny Fokontany saika isa-kerinandro, tsy ambakan’izany ny tsy fahampian’ny fanebeazana any an-tokantrano. Amin’ity herinandrro ity no hiakatra fampanoavana ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT