Teraka tany Pologne tamin’ny 1903 i Alexander Imich. Tamin’ny taona 1950 izy no nifindra monina tany Etazonia, ary dia mipetraka ao New York ankehitriny. Tamin’ny febroary 2014 teo izy no nankalaza ny faha-111 taonany. I Alexander Imich hatreto no heverina fa lahiantitra indrindra manerantany, ary voarakitra ao anatin’ny boky Guinness mirakitra zava-mahagaga eto ambonin’ny tany. Notolorana sertifika manamarina izany izy ny herinandro lasa teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.