Actualités

Alarobian’Amboniloha Voasitrika ny razana vao nitsahatra ny orana


  • Talata 24 Febroary 2015

Nahavariana ny mpandevina teny Alarobian’Amboniloha omaly ity trangan-javatra niseho ity. Maro tamin’ireo olona tonga handevina teny an-toerana no nanamarika fa raha vao tonga avy any am-piangonana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny razana haterina ao amin’ity fasana iray ity,

 

rehefa andro fahavaratra indrindra, ka hapetraka eo an-tokotanim-pasana dia tsy maintsy mirotsaka foana ny orana ary tsy mitsahatra raha tsy voasitrika am-pasana io razana io. Asa na fifanandrifian-javatra fa dia izay tokoa no niseho nandritra ny fandevenana natrehana omaly. Vao napetrak’ireo mpilanja teo an-tokotanim-pasana ny trano vorona nisy ilay razana dia nivatravatra ny orana ary tsy nijanona raha tsy afaka 4 minitra latsaka kely  tany ho any  ka nampidirana ilay razana tao am-pasana. Voatery nasiana labasy efa nomanin’ny tompo-manjo mihitsy moa ambonin’ny fidirana tao amin’ilay fasana mba tsy hahadibo-drano ny tao anatiny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT