Actualités

Alaotra sompitr’i Madagasikara Mitaraina noho ny hafitsoky ny valala ny vahoaka


  • Talata 20 Mey 2014

Mitaraina mafy ary manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny vahoaka mpamoka-bary any Alaotra sompitr’i Madagasikara noho ny hafitsoky ny valala, hoy ny depiote Andriamasimanana Auréline voafidy tao Ambatondrazaka.

 Ahiana ho antsasa-bokatra sisa no hiakatra raha izao no mitohy, hoy izy, satria dia tena tapahan’ny valala mihitsy ny tahom-bary ka mihintsana tsy mbola tena masaka tsara ny voam-bary. Andiam-balala avy any Anjozorobe any ireto tonga any Alaotra ireto, hoy ny tenany. Izay efa nampiaka-bary, hoy izy, dia arahabaina fa avotra soa, fa ho an’ireo mbola nitaraikiraiky sy ny mba hitsinjovana sahady ny ho avy no tena hanaovanay izao antso avo amin’ny minisitra tompon’andraikitra sy ny fitondrana ankapobeny mihitsy izao, fa laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy ny mihinam-bary fa tsy ho mosarena sanatria.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT