Actualités

Akademia Miaramila sy ny oniversiten'Antananarivo Hiaraka hiasa manomboka izao


  • Zoma 23 Mey 2014

Natao sonia ny alakamisy 22 mey 2014 tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ireo taratasy fifanarahana eo amin’ity Sekoly fiofanana ho manamboninahitra miaramila ity sy ny Fakiolten’ny Teny aman-Tsoratra sy Siansan’ny maha Olona eo anivon’Oniversiten’Antananarivo ho fametrahana ny «Licence» momba ny «fiarovana» na «Sciences de la Défense», ho tohin'ny fampiharana ny fanavaozana ny fampianarana natomboka tamin’ny volana oktobra 2012.

 Haharitra ny fiaraha-miasa, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny roa tonta, dia ny Jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard, Kaomandin’ny Akademia Miaramila sy Ranarivony Richard, Sojaben’ny Fakiolten’ny Teny aman-Tsoratra sy Siansan’ny maha Olona. Niara-nanao sonia izany fifanarahana izany koa ny Jeneraly Rakotozafy Dominique, Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy Rasoazananera Marie Monique, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa ary ny Filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Ramanoelina Panja. Natao indrindra ho an’ireo mpianatra ho manamboninahitra amin’ny taona fahatelo ao amin’ny andiany mivantana ity maripahaizana ity. Marihina ihany koa fa misokatra ho an’ireo rehetra izay mahafeno ny fepetra takina ity fianarana vaovao ity, ary ny mari-pahaizana azo amin’izany, izay iarahan’ny an-daniny sy ny an-kilany mamoaka, dia manokatra lalana hahafahana manohy fianarana eny amin’ny anjerimanontolo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT