Mpianatra ho manamboninahitra niisa 107, avy tamina andiany niisa 3 no indray navoakan’ny akademia Miaramila Antsirabe ny sabotsy teo dia ny andiany mivantana faha-39,
nisalotra ny anarana “Haja”, ny andiany iraisam-piadiana faha-20, nisalotra ny anarana “Fivoy” ary ny andiany manokana faha-24 nisalotra ny anarana “Raitra”. Ny kaomandin’ny sekoly ny Jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana no nitarika ny lanonana, notronin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Nandritra ny lanonana no nitsofan-drano io andiany faha-24 io sy ny famindrana ny sabatra ho an’ireo andiany faha-40 ary ny famindrana ny fanevan’ny sekoly ho an’ireo zandry andiany faha-40 ihany koa. Nandritra ny fandraisam-pitenenana no niantsoan’ny filohan’ny Repoblika ny tena fitiavan-tanindrazana ho an’ny Malagasy manontolo fa tsy ho am-bava ihany fa aseho amin’ny asa atao ihany koa ary nanafarany ireto zandry zanaka manamboninahitra ireto mba tsy handraraka ilo mby an-doha. Aoka ho tena manamboninahitra tokoa ianareo ka ho faka tahaka eo anatrehan’ny olom-pehezina, ho ohatra amin’ny fiteny sy fihetsika ary amin’ny asa sady ho Raitra no ho Fivoy sy Hajan’ny zavatra rehetra atao sy amin’ny aleha rehetra, hoy hatrany ny hafatrafatra. Nisy moa ny matso toy ny mahazatra namaranana ny hetsika. Tsara homarihana fa fotodrafitrasa maromaro no notokanana sy nohavaozina tao amin’ny sekoly Akademia Miaramila Antsirabe ka anisan’izany ny lalana mihazo ny kianjan’ny Fandresena, izay nohavaozina tanteraka. Teo ihany koa ny fanatsarana ny manodidina ny toeram-panaovana fanatanjahantena ho lasa “Complexe Sportif”, nampitondraina ny anaran’ny Kolonely Rabetrano Laurent Jocylyn Honore, izay efa kaomandin’ny akademia ny taona 1975-1978. Tafiditra tao anatin’ny fanavaozana goavana ny fanamboarana ny “piste” izay natao manara-penitra tanteraka, ankoatra ny fanavaozana ny kianjan’ny Baskety sy ny volley.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.