Actualités

Air Madagascar Tsy mety tafavoaka mihitsy


  • Talata 06 Mey 2014

Hisokatra tsy ho ela ny sidina Seychelles – Madagascar rehefa niato nandritra ny fotoana lavalava.

 Tontosa tamin’ ny herinandro lasa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny tomponandraikitry ny Aviation Civile roa tonta momba io fiaraha-miasa io. Efa nilaza moa ny minisitry ny fitaterana seyseloa fa hanokatra avy hatrany ny sidina Antananarivo – Mahé sy Nosy Be – Mahé raha vao mahazo fiaramanidina fanampiny ny Air Seychelles. Tsy mbola  naharenesam-peo kosa ny Air Madagascar. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Iles Vanilles izay manana vina fampiroboroboana ny fizahantany aty amin’ireo Nosy aty amin’ny Oseana Indiana izy io, izany hoe fitaovana iray misarika fizahantany. Vaovao ratsy indray anefa no re momba ny Air Madagascar. Nikatso ao La Réunion ny fiaraminidiny iray nitondra mpandeha 30 tokony hakany Sainte Marie efa hatramin’ny alahady. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT