Sahiran-tsaina ny mpiasan’ny Air Madagascar ankehitriny, satria miantraika amin’ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ity ny krizy.
Re izao fa misy "cellule de crise" mitsangana any mba handinika ny tokony hatao manoloana izany olana izany.
Raha nisafidy ny hividy ireo Airbus A340-300 roa tany Frantsa moa ny Air Madagascar dia maro be ny fanahiana sy fanakianana. Niaro tena anefa ny mpitantana tao sy ny ministeran’ny fitaterana fa mety io safidy io, ary efa maro be ny kajy natao vao niroso tamin’izany.
Niaraha-nahita ihany anefa ny olana teknika isaky ny mihetsika nahazo ireo Airbus ireo. Ary ankehitriny dia mandeha be ny resaka fa hoe mety haverina any amin’ny nakana azy, ilay Airbus tonga farany satria tsy araka ny fandoavana ny hofany isam-bolana. Re ihany koa fa maromaro ireo mpiara-miasa (fournisseurs) amin’ny Air Madagascar no efa am-bolana no nahazo vola farany, noho ny olana ara-bola ihany. Ny mahagaga anefa, hoy ny feo re avy amin’ny mpiasa fa dia mirarakompana ny fanendrena sefo ao amin’ity orinasa ity, izay karamaina volabe. Ankoatr’izay dia mivoaka ihany koa izao ny resaka fa dia manana olana ara-tsolika matetika ireo fiaramanidin’ny Air Madagascar satria efa misavovona loatra ny trosa ka malaina ny hanome solika azy ireo ny mpanatanteraka izany any amin’ny seranam-piaramanidina any ivelany.
Maka toerana
Fa ny resabe eny Ivato eny izao, dia ny hoe mety handroaka mpiasa an’arivony ny kaompania Air France. Misy ny voaroaka tanteraka fa misy ampahany kosa aparitaka aty Afrika any amin’ireo kaompania nanaiky ny hiara-miasa amin’ny Air France, anisan’izany ny Air Madagascar. Araka ny tsiliantsofina re dia mpanamory sy teknisianina avy amin’ny Air France zato mahery no mety halefa hiasa aty Madagasikara. Tezitra ary efa manomboka mampiaka-peo ireo teknisianina sy mpanamory malagasy vantany vao nandre izany satria manahy izy ireo, fa sao dia efa tetika maizina hanilihana azy ireo tsimoramora izany. Re fa mafampana ny toe-draharaha noho io anton-javatra io. Tsara ny manamarika fa efa misy mpanamory vahiny miasa ao amin’ny Air Madagascar amin’izao fotoana.
Noho izany karazan’olana maro samihafa izany, dia misy amin’ireo mpanamory malagasy no mihevitra ny hifindra lasy ka hiasa any ampita, ka any Qatar no hitan’izy ireo fa mety sy milamina kokoa. Mpanamory malagasy 5 no re fa efa miasa any izao. Misarika ny namany hafa mba ho avy any izy ireo, ka mety ho maromaro ihany no hamaly ny antso, araka ny tsiliantsofina re ihany. Mifanindran-dalana amin’izay dia re fa hampanofaina kaompania hafa any Afrika ilay Boeing 767, fa tsy hiasa eto Madagasikara intsony, hono.
Raha vao nisafidy ny hividy ireo Airbus A340-300 roa tany Frantsa moa ny fitondrana tetezamita, dia maro ny olona nahatakatra avy hatrany fa misy tetika ambadika iny resaka iny. Nanahy ny maro tamin’izay fa paikady hidiran’ny Frantsay tsimoramora amin’ny fandraharahana sy fifehezana ny fifamoivoizana ana habakabaka eto amintsika izy io. Izao dia ho avy koa izany ny mpanamory sy teknisianina Frantsay aman-jatony. Mitombina ihany ilay ahiahy, fa rehefa sempotra ara-bola ny Air Madagascar, mampiasa Airbus, fa mitsipozipozy sy miala aina, dia maka toerana eto ny teknisianina Frantsay, dia ho mora ho an’ny Air France avy eo no hividy ambongadiny mora dia mora, ity kaompaniam-pitaterana tokana eto Madagasikara ity. Dia izay no vita fa manomboka hanjanaka eto indray ny mena sofina ary hidirany tsikelikely ireo sehatra goavana iankinan’ny toekarem-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.