Actualités

Air Force One Nosakanan’ny orana ny sidina andrana


  • Zoma 21 Janoary 2011


Iray volana mahery aty aorian’ny fanambarana nataon’ny Fiadidiana ny FAT fa dia homena hampiasain’ny kaompania Air Madagascar ilay Boeing 737 – 300 mitondra ny laharana 5RM – RM, fantatra amin’ny hoe “Air Force One”, mba hanampy ireo fiaramanidina miasa ao vao tafarina ilay voromby ary tokony hiroso tamin’ny sidina andrana omaly. Noho ny orana anefa dia tsy raikitra indray izany. Tsiahivina fa ny taona 2006, no efa natolotry ny filoha Ravalomanana ny kaompania Air Madagascar io Boeing 737 – 300 io, taorian’ny diany tany Indonezia. Efa mitondra ny lokon’ny Air Madagascar rahateo izy io saingy lafo ny fikojana azy, hany ka lasa fakana piesy nampandehanana ireo Boeing an’ny Air Madagascar tao sisa, ary nikatso am-pitoerana fotsiny. Nikoropaka ny Air Madagascar rehefa nivoaka ny fanambarana, ny 09 desambra 2010, ka voatery namerina amin’ny laoniny ireo piesy nesorina taminy indray mba hahafahany misidina izao indray. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT