Actualités

Ahiana ny afera maloto goavana Hitokona ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono ?


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Mbola ratsy lavitra noho ny teo aloha ny afera maloto ato amin’ny minisiteran’ny jono, hoy ny fampitam-baovao iray. Vola ana miliara maromaro no re fa nalain’ny minisitra Augustin Andriamananoro raha nandeha nanao fitsirihana sambo sinoa tany an-toerana herinandro maromaro izay, raha ny voalazan’io loharanom-baovao io hatrany.

Andrasana kosa izay mety ho fanazavan’io minisitra io sy ny mety ho fandisoany ilay resaka. Rehefa niverina avy tany, dia mody nolaizaina hoe efa nilamina fa nisy ihany ny tsy fanaranhan-dalàna fa kihonohono no betsaka, hoy ny fitantarana. Malaza moa fa teo aloha dia vola be hatrany amin’ny 4,5 tapitrisa Euros no omen’ny orinasa sinoa mpanjono sy mpanao ampihimamba ny harena an-dranomasina any Toliara ho an’ny tompon’andraikitra ambony iray, ho sandan’ny zavatra ataony. Navadika ho amin’ny anaran’ny minisitry ny jono ankehitriny ve io volabe io ka sinema no tena ataony sisa ?  Voalaza fa mirarakopana ny fanalana olona ary toa miendrika resa-poko. Ny olona notendrena dia voalaza fa maro no tsy mahafeno. Kitranoantrano satria havany sy ny an’ny tale kabinetrany avokoa ny ankamaroany, hoy ny fampitam-baovao. Ny fanaovaozam-piarahara-miasa tsy ataony sonia fa foanany, ka hitroatra ny sendika ato ho ato, raha mitohy io. Ny tale rehetra dia voalaza fa terena ho eny Mahamasina hanotrona an’i Andry Rajoelina anio. Andrasana izay valin-kafatra eo anatrehan’ity resaka hafahafa ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT