Maina tanteraka ny tsena teny anivon’ireo ivontoerana fitadiavana trano hofaina na tany hovidiana eto amintsika hatramin’ny nisian’ny krizy teto amin’ny firenena, efa ho roa volana mahery izao. S
aika mampirim-bola sy miomankomana ny amin’izay mety hitranga avokoa mantsy ny mpanam-bola, raha araka ny fanadihadiana natao tamina ivontoerana iray, anisan’ireny ny fisintahana kely ivelan’ny renivohitra. Efa manomboka miverina amin’ny laoniny izany amin’izao. Ireo olona mitady villa na appartement mitokana no tena betsaka manatona azy ireny. Eo koa ireo mitady toerana hahafahana mivarotra avy hatrany. Hofan-trano iray volana no alain’ny ivontoerana amin’ireo mpanjifa ho an’iretsy voalohany. Mahatratra 5 % amin’ny vidin’ny trano na tany hamidy kosa raha fifampivarotana. Any amin’ny tompon’ilay tany na trano hamidy indray no alaina io vola io, izay fantatra fa mbola azo hiadiam-barotra tsara avokoa. Mikasika ny fividianana tany eto an-drenivohitra manokana moa dia ny eny Ivandry, Ankorondrano, Ambatobe ary Talatamaty no tena be mpitady indrindra amin’izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.