Nanao ampamoaka momba ny raharaha andramena na “bois de rose” izay mbola mivoaka andro aman’alina any amin’ny faritra Analanjirofo amin’izao fotoana i Victor Wing Hong. Mahalala tsara ny raharaha ity farany, izy rahateo zanak’i Mananara.
Nambarany fa noho ny fanomezana alalana famindrana tahirina “bois de rose” nosoniavina ministra iray tao anatin’izao fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita izao no vao mainka mampiroborobo ny fandrobana ity hazo sarobidy ity . “Tsy nisy mihitsy izany tahiry “bois de rose” izany satria tsy nisy hazo tapaky ny rivodoza izany mihitsy tao Mananara hatrizay. Tetika nampiasaina mba ahafahan’ny olona sasany nanakarama tantsaha hanapaka ity karazan-kazo ity sy andefasana azy mivoaka ny faritra fotsiny io fahazoan-dalana io”, hoy izy.
Misy ramatoa iray tena mieboebo fatratra ao Mananara amin’izao fotoana satria afaka manao ny afera ankalalahana tanteraka raha ny fanazavany ihany. Raha tsiahivina moa dia voatonontonona ho tompon’ny vola ampiasaina ao anatin’ity tambajotra maloto ity ny Sinoa mpanambola izay efa karohina saingy tsy fantatra mihitsy anefa ny momba azy ireo araka ny tatitry ny SAMIFIN. Ho an’i Victor Wing Hong anefa dia tsy ireo ihany no tompon’antoka fa misy mpandraharaha Malagasy iray koa, akaikin’izao fitondrana izao, miray tsikombakomba amin’ny famoahana ireo hazo sarobidy any ivelany.
Miantso ireo manamboninahitra miaramila sy ireo tompon’andraikitra zanaky ny faritra rehetra moa ny mponina any an-toerana mba hifanome tanana amin’ny famongorana ity raharaha iray mambotry ny firenena ity. Miantefa any amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny WWf koa ny antson’izy ireo. Ankoatra izay dia mampitandrina koa ny vahoaka any an-toerana fa handray andraikitra ary mety hiharan’ny fitsaram-bahoaka izay sarona. Tsy matoky ny fitsarana intsony ny mponina, satria mivoaka avokoa ireo mpanambola tratra rehetra raha ny fanazana nomeny hatrany, hoy ihany i Victor Hong.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.