Actualités

Ady tany tao Avaratetezana Ampitatafika Nivadika ho fanaratsiana ny Ben’ny tanŕna


  • Zoma 11 Febroary 2011


Nivadika ho resa-politika, volana vitsy aty aoriana, ilay fandrodanana trano teo Avaratetezana Ampitatafika. Fampiharana didim-pitsarana izy ity, raha nahazo rariny ny Villa Cécile, tompon’ny tany. Araka ny feo mandeha eny an-toerana anefa dia ny Kaominina no hiandronan’ny rihitra izay tondroin’ny sasany ho tsy mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoakany ka niafara amin’izao fandrodanana sy fanalana ireo trano am-polony teo Avaratetezana izao. Amin’ny ankapobeny anefa dia adin’ny samy olon-tsotra tamin’ny resaka ady tany no niseho teo Avaratetezana ka tsy misy ahafahan’ny Kaominina manoatra, araka ny fanazavana azo.

Nisy tokoa ny taratasy izay nanome fahefana ireo olona am-polony hanorina trano teo amin’io toerana io tamin’izany fotoana, araka ny fanazavana azo ihany. Hita sy nandalo teo ambany mason’ireo tomponandraikitry ny Kaominina fahiny io taratasy io saingy voalaza mazava tao anatin’izany kosa fa miala madiodio tsy misy arakaraka izy ireo rehefa tonga ny tena tompon’ny tany. Teo andanin’izay anefa dia nisy olon-kafa nivoy ihany koa fa tanim-panjakana io tany io ary azo hanorenan-trano ara-dalàna izay nomarihin’ny tomponandraikitry ny Kaominina fa nahazo tombontsoa manokana avy amin’ireo olona rava trano ireo. Misavorovoro be ihany ny sain’ireo mponina eny an-toerana manoloana izany ka nitondran-dRamparaoelina Rado, Ben’ny tanàna fanazavana. Tsiahivina fa efa im-betsaka niakatra fitsarana ity ady tany teo Avaratetezana ity saingy nivoaka ho mpandresy hatrany ny tompon’ny tany. Ampahany amin’io tany io no efa voafefin’ny tompony ankehitriny raha mbola misy mivarotra kosa ny ampahany sasany.

 
Pati
 

sary : Ampahany amin’ireo trano sisa tsy narodana ao Avaratetezana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT