Actualités

Ady an-tranon’ny FFM Tsy mahefa mitsara ny Filankevi-panjakana


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Ady tsy vita ny an’ireo samy mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM). Milaza ho tsy mahefa mitsara ny fangatahana ny hampiatoana sy ny hanafoanana mihitsy ny fampiharana ny fanapahan-kevitra hanova ireo mpikambana enina ao amin’ny Birao

maharitry ny FFM mantsy ny Filankevi-panjakana, tamin’ny didy navoakany omaly. Raha tsiahivina dia nampiantso fivoriambe tsy ara-potoana ny ampahany amin’ireo mpikambana ao amin’ny FFM, hanavaozana ny Birao maharitra noho ny fahatsapan’izy ireo fa misy tsy mendrika izany toerana izany ireo mpikambana tao, noho izy ireo manana dosie maloto. Voalaza anefa fa tamin’ny alalan’ny SMS nalefa finday no nifampiantsoan’izy ireo nanatanterahana io fivoriambe tsy ara-potoana io. Ny fitsipika anatiny mifehy ity andrimpanjakana natsangana araka ny tondrozotra ity anefa dia milaza fa atao an-taratasy ny fiantsoana fivoriambe ary alefan’ny filohan’ny FFM fito andro mialoha ny andro hanatanterahana ny fivoriana izany. Ankoatra izay dia nanakana ny hanatanterahana io fivoriambe tsy ara-potoana io ny Birao maharitra teo aloha saingy voatosi-bohontanana, ka dia nitondra ny raharaha teny amin’ny Filankevi-panjakana io. Nilaza moa ity farany fa tsy mahefa mitsara ka dia mety hiitatra any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny raharaha, ity farany izay nankato ny maha ara-dalàna sy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fitsipika anatin’ny FFM amin’ny maha andrimpanjakana azy. Tantara mitohy, araka izany, ny savoritaka ao amin’ny FFM.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT