Omaly alatsinainy 6 aogositra no natao teny amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny faribolan’ny fanjakana tsara tantana.
Fametrahana ny rafitra sy fepetra ary fomba entina miady amin’ny kolikoly ao amin’io minisitera io moa no tanjona. Tsiahivina fa singa iray lehibe anatin’ny fanatrarana ny fanjakana tsara tantana ny ady amin’ny kolikoly. Voasahana ao daholo ireo rantsa-mangaika ao amin’ny minisiteran’ny angovo tahaka ny Ofisy Malagasin’ny Akoranafo sy ny Jirama. Nanambara ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO), Atoa Jean Louis Andriamifidy fa efa tamin’ny 21 septambra ny nankatoavina ny paikady sy ny rafitra ary ny tetikasam-panjakana rehetra saingy tsy mahafa-po ny vokatra noho ny tsy fisian’ny finiavana. Olana hatrany koa ny tsy mbola ivoahan’ny lalàna momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola izay efa notakiana foana. Ela loatra ny fandaniana ny lalàna kanefa miteraka tsy famokarana amin’ny asan’ny BIANCO. Izany no tsy mampisy fampandrosoana ara-toekarena satria tsy misy ny fandraisan’andraikitra. Nanamafy hatrany ny tale jeneralin’ny BIANCO fa ho an’ny rehetra ny ady amin’ny kolikoly ary andraikitry ny tsirairay. Rafitra apetraka ihany fa miankina amin’ny rehetra ny fahombiazana ary tsy tokony hisy ny BIANCO rehefa manao ny marina ny rehetra, hoy kosa ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo Lantoniaina Rasoloelison.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.