Tsy honohono intsony fa efa miaina tanteraka ao anatin’ny fiovaovan’ny toetr’andro isika eto Madagasikara ankehitriny. Mitombo ny fisehon’ny oram-be, mihamahazo vahana ny hain-tany, tara ny firotsaky ny orana amin’ny faritry ny afovoan-tany.
Anisan’ny firenena voasokajy ho marefo tokoa anefa i Madagasikara. Ho fanalefahana sy ho fiatrehana izay fiovan’ny toetr’andro izay tafiditra anatin’ilay fandaharan’asa PRCCC (Projet de Renforcement des Conditions et Capacités d’adaptation durable au Changement climatique) dia hifanome tànana ny Foibem-pirenena ho an’ny Tontolo iainana (ONE) sy ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro (MTM), amin’ny alalan’ny Sampana famantarana ny toetry ny andro (DGM). Izany dia natao ho an’ny famokarana angon-kevitra azo antoka mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa notontosain’ny roa tonta omaly teny amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eny Ampandrianomby, haharitra dimy taona. Narahin’ny fanoloran’ny ONE solosaina ho an’ny DGM izany ho fanamafisana orina ny fikirakirana ilay takela-pamantarana ara-tontolo iainana na (Tableau de Bord Environnemental-TBE) sy ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny sehatra maro ireo angom-baovao azo. Ny mba hahafahana mampandroso ny toekarem-pirenena sy ny sosialy moa no tena tanjona amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.