Nisy ny atrikasa niarahan’ny Sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana (SAMIFIN) sy ireo mpiara-miombon’antoka tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina omaly zoma 14 Septambra.
Nanambara ny tale Jeneralin’ny SAMIFIN, Andriamatoa LAMINA Boto Tsara fa misy ny rafitra eto Madagasikara izay iaraha-miasa amin’ny lafiny teknika sy ara-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka tonga niara-nivory ireo . Vatsian’ny vondrona eoropeana vola ity atrikasa ity ary nahafahan’ny SAMIFIN nihaona tamin’ny mpandray anjara mpisehatra rehetra tahaka ny mpitandro ny filaminana, ny fitsarana, ny fadin-tseranana,ny fampidiran-ketra, ny birao mahaleo tena amin’ny ady amin’ny kolikoly ( BIANCO) ary ny ao amin’ny banky foibe miandraikitra ny fanarahamaso ny banky sy ny fampiasam-bola (CSBF). Tanjona ny fampahafantarana ireo mpandray anjara ireo ny asa nomena ny SAMIFIN sy ny laharam-pahamehana nataony teo amin’izany ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana fampihorohoroana izany. Niarahana niady hevitra tao ihany koa ny ahafahana miara-miasa amin’ireo mpisehatra maro ireo satia tena ilaina ny fiaraha-mientan’ireo sehatra maro ireo hiady amin’ny famotsiam-bola. Tamin’izany no namelabelaran’ny SAMIFIN ireo paikady sy laharam-pahamehana dimy iantsorohany. Ao ny fisorohana, ny fitsirihana, ny fametrahana ny fomba fampiharanana ny lalàna, ny fanamafisana fiara-miasa amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena ary ny fanamafisan’orina ny rafitra sy ny fototra araka ny lalàna.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.