Actualités

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Nahitam-bokatra ny hetsiky ny Emmo-Reg


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010


Taorian’ny fampahafantarana ny mponin’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny hetsika fanamafisana ny fitandroana filaminana izay tanterahin’ireo vondrona mpitandro filaminana eo anivon’ny Emmo-Reg, dia am-perinasa tanteraka izy ireo nanomboka ny alin’ny 21 aprily 2010 lasa teo. Mizara andiany isaky ny faritra valo izy ireo ka samy manatontosa fisafoana avy ireo andiany ireo. Misy ny fisavana kara-panondro eny an-dalambe sy anelakelan-trano, fisavana ireo fiara mivezivezy. Akoatra izay dia manampy sy mamaly avy hatrany ny antson’ireo olona mila vonjy na tra-doza. Vokany : mpanendaka roalahy no tratra ambodiomby teo am-pandrobana lehilahy iray tetsy Andavamamba ary lasan’izy ireo ny findain’io olona io. Niantso vonjy ihany koa ny mponina teny Ankorondrano fa misy olona roalahy misandoka ho mpitandro filaminana mampihorohoro eny an-toerana. Tonga namaly ny antso avy hatrany ny Emmo-Reg ka tratra teo tokoa ireo roalahy izay samy mitondra «Radio» fampiasan’ny mpitandro filaminana saingy efa misy fahasimbana ireo fitaovana ireo ka tsy mandeha intsony, ary ny iray tamin’izy ireo dia mitondra fehikibo lehibe miaraka amin’ny fitoerana basy poleta. Ireo izay tratra manao fandikan-dalàna mandritra izao hetsika izao dia atolotra avy hatrany ny sampandraharaha misahana manokana ny famotorana sy fanadihadiana. Hatramin’ny nisian’ity hetsika ataon’ny Emmo-Reg ity dia hita fa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fandriampahalemana eto Antananarivo an-tampon-tanàna.

 
Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT