Actualités

Ady amin’ny fanondranana Harena voajanahary Mbola lavitry ny afo ny kitay ho an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Mbola lavitry ny afo ny kitay ho an’i Madagasikara raha ny resaka fanondranana an-tsokosoko harena voajanahary. Na eo aza mantsy ny fanambarana mifono fampitandremana nataon’ny minisitera tompon’andraikitra dia toa vao mainka mampiroborobo ity sehatra ity izany

 

. Iaraha-mahalala fa vao haingana no nisy sambo sinoa notazonina ary nihantsona tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ny hita sy heno anefa raha ny voalazan’ny fiarahamonim-pirenena iray misehatra amin’ny tontolo iainana dia tafatsoaka ilay sambo. Efa nisy ny fanenjehana nataon’ny mpitandro ny filaminana saingy toa niala maina izy ireo na dia voalaza aza fa nisy ny fifampitifirana. Fantatra ihany koa, hoy ireo mpandinika fa nisy ny angidim-by sy vedety haingam-pandeha nampiasaina saingy tsy nisy vokany izany.  Mipetraka ny ahiahy ho an’ny maro mahakasika ilay sambo tafatsoaka. Goragora tokoa ve izany ny  seranana sa misy ny mpiray tsikombakomba ao anatin’izany ? Toa sambo lehibe ihany anefa ny Ming Feng nefa tafavoaka mora foana.  Fantatra ihany koa izao fa efa misy indray ny sambo hafa any amin’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo iny manangona boaderozy ka asa ho hita eo indray ny tohiny. Hatreto aloha izany dia mijanona ho ambony latabatra fotsiny ny ady atao amin’ny fanondranana harena voajanahary satria mbola mitohy foana ny lalan’ireo mpibizina ary hita ho misy lava tanana tokoa izy ireny.

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT