Natomboka tao Antsirabe ny alahady 01 martsa lasa teo ny fampisehoana
mitety vohitra ho fankalazana ny “Ady amin’ny fanilikilihana” sy ny
fankalazana ny Andron’ny Vehivavy izay Tambanjotran’ny fiadiana
amin’ny Herisetra atao amin’ny Vehivavy ao an-tokantrano sy ny Funiap
ary ny Pnud, miaraka amin’ny kaomisaria ambony amin’ny ady amin’ny
zon’olombelona no mikarakara ny hetsika. Ankoatra ny fampisehoana
niarahana tamin’i Dama sy Théo Rakotovao dia misy ny fanentanana maro
samihafa eny anelanelam-potoana, niarahana tamin’ireo fikambanana maro
samihafa sy ireo fiarahamonim-pirenena nanatontosa, izay
nambaran-dRtoa Faniry Hantarinivo fa ny hanentanana ny olona mba hiady
amin’izay fanilikilihana izay sy fanajana ny zon’ny vehivavy no
tanjona. Hipoka tanteraka ary tsy antonona mihitsy ny Lapan’ny
kolontsaina Antsirabe ka azo lazaina fa tafita ny hafatra ho an’ny
mpikarakara. Raha ny fanazavana dia misy ireo sokajin’olona tena tratry
ny fanilikilihana any anivon’ny fiarahamonina toy ireo olona manana
fahasembanana izany, ireo olona mitovy fananahana kanefa mivady, fa tsy
latsa-danja ihany koa ireo vehivavy hiharan’ny herisetra ao
an-tokantrano. Aorian’Antsirabe moa dia Ihosy sy Ilakaka ary Sakaraha
no handalovan’ity fampisehoana mitety vohitra ity mialoha ny
fankalazana Nasionalin’ny Andron’ny 08 Martsa any Toliara.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.