Ny fanaovana maloto an-kalamanjana no anisan’ny antony voalohany miteraka ireo karazan’aretina maro samihafa mandripaka ny ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny aretin-kibo, antony nanosika ny kaominina Tanjombato sy ny Grand Lyon ary ny Alliance Française de Developpement
hiara-kiasa hanokatra ivotoerana iray hanatobiana izany na ilay antsoina hoe : « Cité de traitement boues de vidange ». Ao amin’ny Fokontanin’Andafiatsimo no nanorenana azy io, ahitana efitrano iray lehibe mirefy 316 m². Tanjona ny hahafahana manala ny maloto amin’ireo toeram-pivoahan’ny mponina rehetra manerana ireo Fokontany miisa 5 ka tsy hanaovan’izy ireo maloto eny rehetra eny intsony. Olona miisa efatra no hanatanteraka ny asa isan’andro raha araka ny fanazavana azo hatrany ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Marihina moa fa ankoatra an’i Tanjombato dia kaominina maro no mila ivotoerana tahaka izao raha efa misy manana kosa ireo faritra sasany eto an-drenivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.