Iaraha-mahita ny herisetra mitranga eto an-tanŕna ankehitriny.
Ankoatra ny sinto-mahery sy ny fanafihana mitam-piadiana, dia misy ihany koa ny fanapoahana baomba sy ny sisa. Manoloana izany rehetra izany, dia nandray andraikitra ny mpitandro filaminana ao anatin’ny Emmo-Reg tarihin’ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ato amin’ny faritr’Analamanga ny Lietnà kolonely Rakotondrazaka Andry taorian’ny fivoriana izay notontosain’izy ireo omaly. Tapaka ary tamin’izany fa hohamafisina ny fisafoana na antoandro na alina. Iangaviana ny olona izay mivoaka alina, araka izany, mba tsy hanadino ny kara-panondro, satria ny tsy fitondrana na tsy fananana azy io dia mety hatoriana indray alina any amin’ny «violon».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.