Ho faty hatrany ny olona ary ho ringana avokoa ny omby any Atsimo amin’ny afitsoky ny fanjakana manoloana ny firongatry ny asan-dahalo any atsimon’ny Nosy. Ady an-tanety hatrany no mba vahaolan’ny fanjakana hatramin’izao
, nefa efa hita izao ny tsy fahombiazany. Mitony kely dia mirongatra indray. Natao in-droa nisesy ny “Opération Tandroka” nandritra ny tetezamita. Maro ny maty, tsy voamarina na tena daholo avokoa fa ny zava-nisy dia nanaovan’ny dahalo fangalapiery ireo mpitandro ny filaminana ka miala maina izay tsy maty an’ady toy ny tany Betroka, izay nahafatesana zandary efatra ary nahaverezana omby an-jatony, herinandro lasa izay. Ny mampalahelo dia ny vahoaka tsy manantsiny hatrany no lasibatra satria mila vokatra ireo mpampandry tany.
Taorian’iny tranga tany Betroka farany teo iny dia fantatra izao fa nandefasana miaramila efa ho 60 lahy, ahitana zandary avy amin’ny FIGN sy miaramila avy amin’ny RFI, hanampy ny any an-toerana hiady amin’ny dahalo. Manamarina ny fisian’izy ireo ny depiote voafidy tany an-toerana Randrianasolo Nicolas. Kely finoana amin’ny vokatra ho azon’izy ireo anefa ny mponina raha mbola ady an-tanety hatrany no hatao. Manampy trotraka izany ny loharanom-baovao iray milaza fa misedra olana ara-bola hatao “tambinkarama” ireto andia-miaramila nalefa hamita iraka any Betroka ireto. Mbola io loharanom-baovao io hatrany no milaza fa mihitsoka ao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola io vola hatao tambinkarama io. Miahiahy ny vahoakan’i Betroka manoloana izany, sao mba mpitondra ihany no ao ambadik’izao zava-drehetra izao. Mametra-panontaniana ihany koa izy ireo ny tsy handefasan’ny fanjakana helikôptera any an-toerana hanamafisana ity ady amin’ny dahalo ity, fa toa malaza tsy hinanana fotsiny ireo helikôptera “Alouette 2” novidiana tamin’ny tetezamita ary nandaniana vola amina miliara maro, izay nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa hanampiana ny foloalindahy hiadiana amin’ny asan-dahalo. Ny andiam-balala anefa anetsehana helikôptera fa manimba voly, ka maninona ny dahalo izay sady mamono olona no mandringana ny fiompiana no vitavitaina fotsiny amin’ny ady tanana ? Ao raha !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.