Actualités

Ady amin’ny andiam_balala 15 tapitrisa dolara no mbola tadiavina


  • Alakamisy 24 Aprily 2014

Ao anatin’ny efa-taona no hanaovana ny famonoam-balala izay nanomboka tamin’iny 2013 iny ka hatramin’ny 2016.

 Ny FAO na sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena no misahana mivantana izany na ara-teknika na ara-bola ka lelavola 43,3 tapitrisa dolara no ilaina. Mbola tsy feno anefa io ka nitondra ny anjara birikiny ry zareo Japoney izay nanome 206 tapitrisa Yen na 2 tapitrisa dolara. Tafakatra 28, tapitrisa izany izao ny entimanana izany hoe 15 tapitrisa eo ho eo no mbola tadiavina ao anatin’ny telo taona. Hampiasaina amin’ny fanaovana fanaraha-maso ny asa atao ka anisan’izany ny fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona sy fiarovana ny tontolo ainana ary ny fandrindrana ny asa rehetra io fanampiana tsy averina io. Ezahana araka izany ny fifehezana ny fielezan’ny andiam-balala hisorohana ny krizy ara-tsakafo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT