Abdalah, mpamily fiara, no nindaosin’ny fahafatesana tampoka, omaly, raha andeha hampiady ny ankohony “Peta-tsanga patte blanche”.
Efa samy vonona teo an-kianja ny akoho hiady.20.000Ar ny loka ary izy mihitsy no nanolotena ho mpitsara sy hitazona ny famataranandro faharetan’ny lalao. Raha iny hanomboka iny anefa ny lalao dia nitambosotra tampoka i Abdalah, nifandrobahana nentina namonjy ny hopitaly Loterana SALFA tao Ampandrozonana. Indrisy anefa fa teny an-dalana dia efa tsy tana ny ainy. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo dia nentina niverina tao an-trano fonenany ao Soavinandriana Sambava ny razana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.