Actualités

ACMIL Antsirabe Fanofanana mpanongam-panjakana ?


  • Zoma 27 Janoary 2012

Mbola miteraka adihevitra lehibe hatramin’izao ny momba ny tafika eto amintsika.

 Tsy mba irony tany miady lava irony mantsy eto amintsika ka liana hatrany ny tafika, ary tsy dia misy asa fampandrosoana koa anefa tanterahin’ny miaramila kanefa dia ny vahoaka no mandoa hetra hanaramana azy ireo. Rehefa misy olana ara-politika, toy ny fanonganam-panjakana vao hita sy miloa-bava ry zareo be baoty. Any amin’izy ireo tokoa manko ny hery sy ny basy ka dia afaka manao izay tiany izy ireo, afaka manao fihantsiana sy takalo (chantage) ihany koa. Nanomboka tamin’ireny raharaha 2009 ireny dia tsy vitsy ireo mametra-panontaniana ny tena ilana ny miaramila eto amintsika.

Tsy misy afaka manda tokoa manko fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny ny ampahany tamin’ny tafika malagasy ary ireo manamboninahitra lefitra no tena nihetsika tamin’izany. Niaraha-nahita ny tamin’ny fikomiana teny amin’ny CAPSAT ny 8 martsa 2009, ny famoahana ireo fiara mifono vy nampihorohoroana ny Malagasy teto an-drenivohitra. Ny herisetra teny amin’ny Episcopat ny 17 martsa 2009. Tsy lazaina intsony ny famoretana ataony mandrak’androany manoloana ny fihetseham-bahoaka. Nitondra takaitra ara-tsaina, tahotra tsy voakosoka ao an-tsaina ny fahitana miaramila mirongo fiadiana hamoretana vahoaka ary dia izy ireo no lasa manao lalàna eto amintsika.

Raha ny fanazavan’i Rodin Rakotomanjato, depioten’Arivonimamo teo aloha ary voatendry ho mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ankehitriny, dia fifanarahana teo amin’ny jeneraly frantsay Charles de Gaulle sy jeneraly Gabriel Ramanantsoa no nananganana ny Akademia fanofanana miaramila na ny ACMIL ao Antsirabe. Ireo miaramila nanongam-panjakana rehetra, tsy teto amintsika ihany fa manerana an’i Afrika, indrindra fa amin’ireo tany miteny manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay dia nivoaka avy tao amin’io ACMIL Antsirabe io avokoa ny ankamaroany. Asa raha misy hifandraisany amin’izany ny efa nanakatonan’ny fitondrana Ravalomanana io Akademia io tamin’ny fotoan’androny.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT