Actualités

67 HA Mpanao "taxiphone" voatsatoka antsy


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Mandravarava ny jiolahy eny amin’ny faritra 67 Ha sy ny manodidina iny. Saika isan’andro hahenoana asa ratsy foana

 

 

. Eo anatrehan’izany, mihorohoro ny vahoaka. Tovolahy mpanao taxiphone handeha hody tratra alina no voatsatoky ny antsy teo amin’ny lamosiny, tetsy 67 ha Atsimo, afak’omaly alina. Raha ny vaovao azo, dia dimilahy no nanaraka azy, izay tonga dia nandrahona sy naka ilay kitapo kely teny aminy nisy ny vola. Nanohitra ity tovolahy ka antsy avy hatrany no nitsena azy, ary ilay raika lahy tao aoriany no tsy nisalasala nanindrona antsy. Tara fodiana ity tovolahy ity tamin’io, satria mbola nanatitra ny sipany. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny remby, dia iny ireo tsy mataho-tody no tsy hita niditra tany elakela-trano. Amin’izao, ahiana mafy ny toe-pahasalamany.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT