Ramatoa iray sahabo ho 26 taona izay bevohoka fito volana handeha hiantsena maraina no afa-jaza teny an-dalana ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora, teny 67 ha Atsimo akaikin’ny fiantsonan’ny taksibe mankany Itaosy.
Nibolisatra tamin’ny tata-drano amin’ny sisin-dalana mampisaraka ny arabe sy ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ity ramatoa ity, raha saika hiampita niala fiara. Nitrosona tamin’ny tany ny tenany ary niezaka nanarin-tena samirery, nefa rehefa nandeha kely dia nitaraina narary ka nitolefika ary afa-jaza. Tsy nisy taitra ny teo amin’ny manodidina fa nitazam-potsiny. Ny sasany nahita aza nihomehy. Olona tsara sitrapo sendra nandalo no nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Mila mitandrina hatrany rey olona, fa ny patsa iray tsy homby vava.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.