Actualités

67 Ha Atsimo Ramatoabe handeha hiantsena, vaky loha nodonina bisikileta


  • Alarobia 23 Aprily 2014


 Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray omaly maraina teny 67 ha Atsimo, akaikin’ny fiantsonana taksibe zotra 30, tokony ho tamin’ny 9 ora teo. Ramatoabe iray handeha hiantsena no safotra nondonina bisikileta nandeha mafy avy any Ampasika. Niampita arabe ity ramatoa be 70 taona ity ka izy hiakatra ny “trottoir” iny no voadona. Nitrosona tamin’ny tany izy ary nikarapoka tamin’ny sisiny amin’ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra avy eo.

Noho ny dona mafy nahazo azy dia nahitana ratra teo amin’ny lohany ary nivonto be mihitsy, ary safotra ilay ramatoabe. Ny olona nitangorona koa vao mainka nanempotra tsy nahafahany niaina firy. Novonjena nentina haingana tamina toeram-pitsaboana iray tsy lavitra teo ny niharan-doza. Ilay lehilahy nandona kosa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka fa tsy nety nitsabo sy nitondra an’ilay ramatoabe. Raha tsy nalaky tonga ny zafin-dramama nandrara ireo olona efa niaka-pofona dia  asa indray izay nahazo an’ity mpitondra bisikileta tsy tan-dalàna nandratra olona ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT