Actualités

67 Ha Atsimo Ramatoa voatafika tao anaty fiarany, nanjavona ny 10 tapitrisa tao anaty poketra


  • Alatsinainy 05 Mey 2014


 Nitrangana fanafihana nahaverezana vola an-tapitrisany tetsy 67 ha Atsimo, ny sabotsy maraina teo, tokony ho tamin'ny sivy ora mahery. Fiara 4x4 nentina ramatoa iray nijanona teo anoloana tranombarotra sinoa mpivarotra moto sy kojakoja amin'ny fanamboaran-trano no nidirana telolahy an-keriny. Tsy nisy alaharo fa tonga dia nobedain'ireo jiolahy ilay ramatoa tao anaty fiarany. Raikitra avy eo ny fisintonana ny poketrany izay nisy vola 10 tapitrisa mahery saika hividianana entana. Raha vao nahazo ny rembiny ireo olon-dratsy dia lasa nitsoaka ary niditra ny elanelan-trano amin'ny Cité iny ary nadio ny rano nitana, ramatoa tompom-bola voaendaka sy voatafika kosa nangasihasy tsy nisy azony natao. Hany heriny niantso ny fianakaviany sy ny mpitandro ny filaminana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT